SportTsidika

Nicolas Dupuis : Ny Komitim-panatanteraka ao amin’ny FMF sa ny filohan’ny FMF irery no tompon’ny teny farany ?

Nanomboka ny taona 2017 no nidiran’i Nicolas Dupuis, tera-tany Frantsay, ho mpanazatra ny ekipam-pirenena baolina kitra lehilahy teto Madagasikara. Isan’ny lohahevitra nalaza tamin’iny herinandro iny ny fanesorana azy tamin’izany toerana izany, Ny 7 tamin’ny 10 tao amin’ny komity mpanatanteraka no nanaiky ny hitazomana azy tao amin’ny toerana ary ny 3 ambiny no nandà ny hanohizany noho ny farany anefa niala ihany izy. Hanao ahoana ny hoavin’ny baolina kitra Malagasy indrindra amin’izao fanomanana ny « Mondial » izao ? Tsy mitovy hevitra ny komity, iza no tena tompon’ny hevitra farany ? Ny FMF ? Ny filohan’ny FMF irery sa miaraka ireo mpiara-miasa aminy ? Ahiana ho misy asy an-trano kanefa aoka tsy ny baolina kitra malagasy no atao sorona.  Sahirana ny baolina kitra ary tojo tsy fahombiazana tamin’ny farany teo. Hiteraka fiovana ve ny fanovana ny mpanazatra ? Aoka tsy hisy fijerena tavan’olona fa izay hamapandroso ny Baolina no himasoana. Tsy misy hirarahian’ny filohan’ny federasiona ny baolina eto an-toerana noho izy mivezivezy any ivelany hany ka mandringa sy lasa an-kilabao ny baolina kitra hoy i Rakotoarimanana Tôta, filohan’ny ligue Analamanga tao amin’ny fahitalavitra tsy miankina iray ny 1 Mey teo. Inona ny vahaolana ? Tsy mijery izay filoha anefa ny olona fa ny vokatry ny lalao no tena tsaraina. Izany hoe tompon’andraikitra lehibe izay mpanazatra ny mpilalao manoloana izany fitsarana izany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire