Ambohimangakely : Mitohy ny fametrahana jiro eny amin’ny fokontany
Mitohy ny fametrahana ireo jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro ao amin’ny kaominina Ambohimangakely. Ny fokontany Antanambao sy ireo lalana mampitohy ny tanàna indray no nametrahana izany ny talata lasa teo.
« Ao anatin’ny ezaka fanatsarana ny kaominina no hametrahana ireo jiro manazava ny tanàna. Mitohy tsikelikely izany ary ho avy miandalana ny fametrahana ny any amin’ireo fokontany sasany » hoy ny tomponandraikitra ao amin’ny kaominina.
« Misy fokontany hafa tena mbola ao anaty haizina tanteraka, izay hanairana ny tomponandraikitra. Ny haizina no tena mahabetsaka ny asa ratsy. Indrindra amin’izao fotoana, manjaka ny tsy fahandriam-pahalemana ety » hoy i Bakoly, mponina ao Andranovao.
Mametraka sy manatanteraka ireo foto-drafitr’asa entina hampandroasona ny tanàna tokoa no anisan’ny laharam-pahamehana ho an’ny kaominina. Mila jerena avokoa anefa ireo fokontany rehetra ao anatin’izany ary ilaina ny mihaino ny hetahetan’ny mponina.
Manitra Ramanantsoa
