Fanatanjahantena : Efa manomboka ny fiomanana amin’ny amboara eran-tany amin’ny Basket ho an’ny Ankoay
Dépêceh 20 décembre, 16h40, Manomboka ny fanazaran-tena, hiomanana amin’ny fidiana ny amboara eran-tany ho an’ny latsaky ny 19 taona ireo Ankoay lehilahy. Miisa 19 ireo tovolahy tonga namaly ny antso tamin’ny fampivondronana voalohany izay natao saingy i Mathias M’Madi irery ihany no tsy tonga namaly ny antso. Ny volana 23 jona ka hatramin’ny jolay 2023 no hatao izany fiadiana ny amboara eran-tany izany any Hongrie ka izany indrindra no ilaina fanomanana matanjaka be dieny mialoha. Ho avy hanatevin-daharana kosa anefa i Mathias M’Madi, Lovasoa Andriatsarafara ary i Donovan Rakotonanahary amin’ny fampivondronana faharoa izay hatao mialohan’ny fiafaran’ny telo volana voalohany amin’ny taona 2023.
