ActualitésTsidika

Fampijaliana zaza : Nosamborina avy hatrany ilay raim-pianakaviana nampijaly ny zanany

Zaza mianadahy sivy taona sy enintaona no niharan’ny fampijaliana nataon’ny raikelin’izy ireo.

Efa manomboka manao habibiana amin’ny zanaka ny raim-pianakaviana ankehitriny. Raha vao tsy ela no nisy raim-pianakaviana nanolana ny zanany vavy, ity indray raim-pianakaviana mampijaly zanaka.

Raha arakin’ny angom-baovao teny amin’ny fiarahamonina manodidina azy ireo, antso vonjin’ireo ankizy no nanaitra azy ireo. ka nanosika azy ireo nijery ny toerana misy ireo zaza. Gaga ireo olona nahita ireto Zaza samy mifatotra rehefa nosokafana ny trano. «Ilay zazalahy kely mifatotra ny tanana sy ny tongony fa ilay zazavavy kely kosa dia sady nafatotra ny tanany sy ny tongony no mihantona tsy nipetraka tamin’ny tany ny tenany» hoy ny olona iray nanatri-maso.

Nirehetan’ny fahatezeran’ny fokonolona ilay raim-pianakaviana nohon’ny tonga ka saika niharan’ny fitsaram-bahoaka raha tsy niditra an-tsehatra ny sefom-pokontany teo an-toerana. Tonga ara-potoana tsara ihany koa ny Polisy ka avy hatrany dia nentin’izy ireo ity nahavanon-doza ity. Araka ny fanadihadiana natao ihany moa, voalazany fa zana-badiny ireto zaza ireto ary tsy ao ny renin’izy ireo fa miasa. Nilaza ihany koa izy fa nohon’ny ditra noho anton’izao famaizana izao. «Niofaka mihitsy ny tanan’ireo zaza nohon’ny fatotra mafy nahazo azy ireo» hoy hatrany ny filazan’ireo nanatri-maso.

«Raha ho tetezina avokoa ny tokantrano tsirairay, misy endrika fampijaliana mahazo ny zaza hatrany. Ny ray aman-dreny raha mibedy tsy mieritreritra afa-tsy ny hahasoa ny zanany, fa kosa eo amin’ny sazy no samy manana ny azy ny tsirairay. Ny zaza koa tsinona raha tsy kapohana matetika tsy tonga saina amin’ny zavatra ataony. Marina fa mafy loatra ity nataon’ity ray ity fa kosa tokony jerena lalina hoe inona no tena fikasany vao tsaratsaraina ho mpampijaly izy» hoy Rasoa, renim-pianakaviana iray. Raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra avy amin’ny fikambanana iray miaro ny zon’ny ankizy kosa : «Tsy ekena avy hatrany ny fampiharana ny herisetra amin’ny zaza toy izao. Saziana avy hatrany izay olona mahavita herisetra amin’ny zaza, na inona na inona endrik’ilay herisetra. Ny zaza tokony ho beazina ary na inona ditra ataon’ny zaza anjaran’ireo Ray aman-dreny no mitaiza azy ireo. Raha misy kosa tena tsy fahafehezan’ny ray aman-dreny, azo atao tsara ny manantona matihanina amin’ny fitaizana zaza izy ireo. Fa ny manao herisetra kosa, lavina avy hatrany». Ireo avy ao amin’ny Polisim-pirenena kosa nilaza fa maro ny fomba hitaizana ny zaza fa raha mahita tranga tahak’izao kosa izy ireo tsy hitsitsy.

Manana ny zony ny zaza, eny fa na dia mbola kely aza izy ireo. Ny tsikaritra nefa amin’ny fitaizana zaza ankehitriny, herisetra no tena mandeha, na ara-nofo na ara-moraly. Betsaka ny fomba afahana mampahafantatra ny ray aman-dreny ny zon’ny zaza, toy ny fanaovana sekolin’ny ray aman-dreny eny anivon’ny sekoly, azo atao tsara ny manao izany. Marina fa misy ny fampitandremana mandeha amin’ny haino aman-jery toy ny fiantsoana laharana maitso fa na izany aza, tokony fampahalalana no atao mahazo laka amin’ireny karazan-tserasera ireny fa tsy fampiyandremana avy hatrany. Maro ny fomba azo entina hanitsiana sy hanasaziana ny zaza saingy tokony holanjalanjain’ny ray aman-dreny kosa ny fihetsika atao amin’izy ireny.

Tsangy Randriamampianina

Laisser un commentaire