Sabotsy Namehena: Anisan’ireo tendrombohitra masina 12 I Namehana
Manana ny hasiny sy ny tantara mampiavaka azy na ara-tantara na ara-pomba ireo vohitra masina eto Imerina. Saika ahitana izany tendrombohitra izany avokoa na ao andrefana na ao atsinanana na avaratra, indrindra moa fa avofoan’Imerina. Tafiditra ho isan’ny iray ami’ireo ihany koa I Namehana, izay ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana, distrikan’Avararano.
“Malaza ny afon’Atongona, ny fanalan’Angavokely, ny zavon’Ankaratra ary ny avelon’Ambondrombe.
Fa ny hasin’ny tendrombohitra 12 masina eto Imerina kosa nohajain’ny Ntaolo ary nataony ho nanambitana raha nahazo vady teraky ny tendrombohitra 12 masina eto Imerina.
Ny mpanjaka Ralambo raha nivavaka no niantso voalohany ireo tendrombohitra misy ny razany izay nanjaka.Tamin’Andriamasinavalona dia efa nisy ny tendrombohitra 12 masina . Ary anisan’izany i Namehana” hoy ny mpiofana iray nanaraka ny lalam-piofanana fizahan-tany, zanak’i Namehana.
“Andrianampoinimerina kosa no mpanjaka farany namaritra ireo « tendrombohitra 12 masina eto Imerina izay tsy nasiana fanovàna hatramin’ny mpanjaka Ranavalona III ny taona 1896 dia ireto avy izany: Ampandrana; Merimanjaka; Alasora; Ambohidrabiby; Antananarivo; Ambohimanga; Ilafy; Ambohidratrimo; Antsahadinta; Namehana; Ikaloy; Ambohitrontsy; Ambohiniazy; Ambohitrondrana ; Fenoarivo; Ambohijoky; Amboatany ary Merimandroso (ao andrefan’Amboatany). Ny ankoatr’ireo, araka izany dia tsy isan’ny tendrombohitra 12 masina” hoy hatrany ity mpiofana ity.
Araka izany, anisan’ny vohitra manana ny lanjany sy ny mahaizy azy I Namehana, na eo amin’ny ara-pomba na ara-tantara izany. Amin’izao fotoana izao moa, misy ireo mpianatra sy mpikaroka tonga manao fikarohana sy mitsidika izany vohitra izany.
Manitra Ramanantsoa
