ActualitésTsidika

30 aogositra : Andro iraisam-pirenena ho an’ireo olona very

Firifiry amin’izao ireo fianakaviana ory fa very ny havany, firifiry ihany koa ireo olona very tsy mahita ny havany intsony. Ny 30 aogositra no andro iraisam-pirenena natokan’ny ONU hahatsiarovana ireo olona very.

Nahitana fiakarany tato ho ato ny olona very manerana an’izao tontolo izao raha ny nambaran’ny sampan manokana misahana ny zon’olombelona. «Misy ireo nanjavona tsy nahy kanefa indray ao anatin’ny taona ihany no mba hahatsiarovana azy, noho izany tokony isan’andro mihitsy no andro ho atokana azy ireny» hoy i Clara, mpiaro ny zon’olombelona.

«Tsy ny fianakaviany ihany fa isika mpiaramonina rehetra dia manana adidy amin’ny fikarohana ireny olona very ireny ary mila fankaherezana avy amintsika ireo fianakaviany ireo» hoy i Mahenina, mpandinika fiaraha-monina. Aoka isika hahay hifanohana mba tsy hahavery ny olona iray mba hisorohana ny fahaverezana fa mijaly ny olona very sy tsy mahita ny lalana mody. Manentana antsika ny avy ao amin’ny ONU mba hisoroka ny amin’ny mety ho fahaverezana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire