ActualitésTatitra

Espagne : Jiolahy nitsoaka, hita tamin’ny Google Maps

Anisan’ireo lehiben’ny « mafia » mahery vaika tao Sicile i Gioacchino Gammino, mpikambana ao amin’ny vondrona mampihorohoro « Cosa ». Roapolo taona no nikarohana azy, ary tratran’ny polisin’I Italie tamin’ny alalan’ny « Google Maps » ny 6 janoray teo izy.Niafina tao Espagne ity lehilahy ity, 4 kilometatra niala an’i Madrid no nisy azy. Nanokatra toeram-pisakafoana sy toeram-pivarotana legioma sy voankazo ny tenany. Tsara fiafenana izy, hoy ireo manam-pahefana hatramin’ny nandalovan’ny fiaran’i Google teo aminy, haka sary ho an’ny Google Maps. Azo sary tamin’izany ny tarehin’ity lehilahy ity ka tonga nisambotra azy avy hatrany ireo mpitandro ny filaminana.

Laisser un commentaire