ActualitésTsidika

Ambohimanambola: Hisy ny hetsika Zaha vohitra ny 26 jona

Hisy ny hetsika “Zaha vohitra” izay tarihin’ny avy ao amin’ny kaominina Ambohimanambola, amin’ny alatsinainy 26 jona izao. tafiditra ao anatin’ny hetsika fanamarihana ny fankalazana ny fetim-pirenena ao an-toerana ity, raha ny voalaza.

“Amin’ny 07 ora sy sasany ny fotoana hifanomezana eo amin’ny kianja Tanimenabe, ho an’ireo izay liana sy te handray anjara amin’ny hetsika. Lalana mirefy 9kilometatra no diavina ao anatin’izany ary ho vitaina ao anatin’ny ora roa latsaka” hoy ireo nmpikarakara ny hetsika.

“ Ny zaha vohitra moa dia hetsika iray izay sady karazana fanatanjahan-tena, taiza vatana arahana hazakazaka, kilalao, fitetezana ireo toerana manan-tantara ato anatin’ny kaominina; indrindra fiaraha-mientana izy io satria misy fifampizarana sy fiarahana kolontsaina maro ao anatiny” hoy hatrany ny fanazavana.

Tsy mifidy fa afaka mandray anjara amin’ity hetsika ity avokoa na ny tanora na ny olon-dehibe. Marihina moa fa andiany voalohany ity ary ny kaominina no mikarakara azy.

Manitra R.

Laisser un commentaire