ActualitésTatitra

Seychelles : Nanolotra fanampiana ho an’i Turquie ny nosy

Nosy kely misy mponina 99 000 isa i Seychelles saingy nahangona fanampiana 66 taonina ho an’ireo niaram-boina noho ny horohorontany tao Turquie. Raha ny tatitry ny masoivohon’i Turquie tao Nairobi dia lamba firakotra, akanjo mafana, fandriana sns ny mandrafitra io fanampiana 66 taonina io.

Manoloaana izany dia nandefa fisaorana manokana ho an’i Seychelles ireo tompon’andraikitra. Raha tsiahivina kosa dia ny 6 febroary no nisehoan’ilay horohorontany nandoza tao Turquie sy Syrie. Tao Kahramanmaras, no ivony ary faritra 11 hafa no voakasiny : Hatay, Gaziantep, Adana, Adiyaman, Diyarbakir, Kilis, Malatya, Osmaniye, Sanliurfa ary Elazig. Olona manodidina ny 13 tapitrisa kosa no vokasikin’ny loza ary maherin’ny 38 000 isa no namoy ny ainy.

Laisser un commentaire