Fampianarana: Efa nampiato ny fampianarana ireo faritra maro izay voalaza fa handalovan’ny rivo-doza.
Dépêche 21 février, 12h, Samy nandray ny fepetra mifanaraka amin’ny zava-misy noho ity rivo-doza ity avokoa ireo tompon’andraikitra isan-tokony. Efa nampiato ny fampianarana avokoa ireo faritra rehetra izay voalaza fa handalovan’ny rivo-doza araka izany. Anisan’ny nandray izany fanapahan-kevitra izany ny DREN Fitovinany, ny DREN Atsinanana, ary ny DREN Vakinankaratra sy Itasy. Nanambara moa ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena fa iray andro mialoha ny hampahafantarana ny fiatoan’ny fianarana hahafahan’ny Ray aman-dReny miomana amin’izany.
