Fampianarana: Nahazo ny mari-pahaizany ireo miaramila nianatra teny sinoa
14 Janoary, 09h00. Natolotra ny 13 janoary lasa teo ny mari-pahaizana ho an’ireo mpianatra teny Sinoa, miaramila sy sivily, andiany voalohany. Teny amin’ny ivon-toerana fampianarana teny vahiny ao amin’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena no nanatanterahana izany.
