Fampianarana : Notanana ho amin’ny kilasy fahadimy ihany ny CEPE
Notazomina ho azon’ireo mpianatra ao amin’ny kilasy fahadimy ihany ny mari-pahaizana ara-panjakana izay zaraina ho azy ireo dia ny CEPE izany. Taorian’ireo filan-kevitry ny minisitra ny herinandro lasa teo dia voamarina izao fa mbola misy hatrany ny fanadinana CEPE sixième amin’ity taona ity. Mbola notazomina ho azon’ireo mpianatra ao amin’ny kilasy fahadimy izany ary mbola misy fepetra takiana ny fanemorana izany ho ao amin’ny taona fahaenina sy ny fanovana ny rafio-papianarana ho lasa 3 taona monja ny ambaratonga faharoa. Farany indrindra, mila fanaktoavan’ny Filoham-pirenena izany vao afaka hampiharina.
