Dépêches

Sambava : Fambolen-kazo no nanamarihana ny fankalazana ny andro iraaisam-pirenena ho an’ny tontolo iainana

Dépêche 06 juin, 13h, Hazo fihinam-boa miiisa 600 fototra no novolena tao Sambava ho fanamarihana ny fankalazana ny andro iraaisam-pirenena ho an’ny tontolo iainana. Isaky ny 5 jona no hankalazaina ity andro ity. Manana adidy amin’izany fiarovana ny tontolo iainana izany avokoa ny zava-manan’aina rehetra, indrindra fa ny olombelona. Mpiasan’ny Kaominina Sambava, Fikambanana maro samihafa ary mpianatra no nandray anjara tamin’ity fambolen-kazo ity. Manaraka izany anefa dia tokony hisy ny fijerevana ny fanirian’ireo zana-kazo sy ny fikarakarana izany hahafahana mahazo antoka ny amin’ny fahombiazan’ny hetsika.

Laisser un commentaire