Dépêches

Politika : Eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana i Doris Rakoto Samuel

Dépêche 06 juin, 14h, Raha tsiahivina dia nalain’ny mpitandro filaminana vao maraina tao an-tranony i Doris Rakoto Samuel vadin’i Mahery Lanto Manandafy. Ny anton’ny fiampangana azy moa dia mbola tohin’ilay hetsi-bahoaka notarihiny ny alarobia lasa teo. Araka izany dia eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana ny tenany amin’izao fotoana izao. Hiakatra fitsarana kosa izy sy i Nambinina Raherimampianina avy ao amin’ny Vovonana Gasy Leo ny 16 jona izao. Marihina fa I Nambinina izay niara-nanatanteraka iny hetsi-bahoaka iny dia efa voatana any am-ponja ihany koa. Araka izany dia miandry ny fotoam-pitsarana indray izy ireo, ahafantarana ny tohin’ny tantara. 

Laisser un commentaire