Actualités

Inde : Lozam-piarakodia nahafatesana olona 45 tao New Dehli.

Nahitana trangana lozam-piarakodia nahatsiravina tao amin’ny faritra afovoan’i Inde ny Talata 16 febroary lasa teo. Olona 45 be izao no indray maty nandritra ny loza, 36 no razana efa hita fa ny sasany mbola karohina izay efa tsy misy hevitra intsony ny mety hahavelomany. Fa ny enina kosa no avotra soa aman-tsara na dia naratra mafy aza kanefa nahazo fitsaboana tsara. Nandeha mafy loatra ity fiara ity ary avy hatrany dia nianjera avy eny ambony tetezana ary latsaka tao anaty lakan-drano ity farany. Fanampin’izay ihany koa, 34 no tokony ho isan’ny mpandeha tao anatin’izany fiara izany kanefa 46 no nentiny. Mbola mitohy ny fikarohana ireo razana tsy hita. Voatery natsahatra mihitsy aza ny fandehanan’ny rano mba hanamorana ny fikarohana.

Laisser un commentaire