Maurice: Toeram-pialan-tsasatra laharana faha-10 ankafizin’ny frantsay indrindra ny nosy
Niena 13% ny fanirian’ireo frantsay andeha hiala sasatra mandritra ny fotoana maharitra. Na izany aza dia tafiditra ao amin’ny laharana folo voalohany ny firenena tian’izy ireo tsidiana ny nosy Maurice.
Niakatra 46% izany fivoarana izany raha noharina ny tamin’ny taona 2019 raha ny fanazavana.I Grèce kosa no eo amin’ny laharana voalohany (69%), manaraka azy i Espagne (87%), France métropolitaine, Tunisie, Maroc, Italie, Egypte, Turquie, Portugal ary mamarana azy i Maurice. Raha tsiahivina kosa teo amin’ny laharana faha-9 ny République dominicaine tamin’ny taona 2022 saingy nosongonan’ny nosy Maurice.
