SocialTatitra

Maurice : Notezeran’ny olona ilay polisy mpisava arovava orona

Olona miisa 100 no indray tratra tsy nanao arovava orona ny Alatsinainy 12 Avrily lasa teo tany Maurice. Polisy iray mpanara-maso ny fanajana io fepetra io no nitaraina fa notoherina sy notezeran’ny olona nandritra ny fisavana. Nametraka fitoriana araka izany ity polisy ity. Notendrena ho isan’ireo ao amin’ny Divisional Supporting Unit (DSU) Metropolitan North izy. Ary nambarany fa nisy olona nanolana ny tanany raha nanohitra sy niteny ny mpianatra iray 16 taona tsy nanao arovava orona izy. Nametraka fitarainana teny anivon’ny paositry ny polisy Trou-Fanfaron ity polisy ity. Tamin’ny lalana Sir Seewoosagur Ramgoolam tany Port-Louis no nitranga ny olana. Nosamborina ary nentina tany amin’ny biraon’ny polisy hanaovana famotorana ilay olona nahavita nanao izany fihetsika izany. Avy eo anefa navoaka ary navotsotra ny helony taorian’ny fanazavana nataony. Efa nahazo fitsaboana tao amin’ny hôpitaly Dr A.G. Jeetoo kosa ilay polisy naratra.

Laisser un commentaire