Italie : « Momie » tsara tarehy indrindra i Rosalia Lombardo
Anisan’ny zazavavy kely miteraka resa-be amin’izao fotoana i Rosalia Lombardo. Maty ny 6 desambra 1920 teo amin’ny faha 2 taonany noho ny pneumonie izy. Nampandriana ao amin’ny Capucins de Palerme ao Sicile io zazavavy ary hatramin’ny nahafatesany dia tsy nahitam-piovana firy ny endriny.
Raha ny fanazavan’ny Daily Mail dia niantso an’i Alfredo Salafia, mpikarakara faty (embaumeur) ny rain’i Rosalia Lombardo atao hoe Mario Lombardo mba nitandrovana ny razana. 100 taona taty aoriana dia nojerena tamin’ny « rayon X » ny tao anatin’io zazavavy kely io ary hita fa tsy mbola nihetsika ny taovany.
Nanazava kosa i Alfredo Salafia fony fahavelony fa nanindrona ranom-panafody nisy « formol » niampy alikaola, « glycérine », « acide salicylique » ary « zinc » an’i Rosalia Lombardo mba nitandrovana ny razany.
Anisan’ny misarika mpitsidika maro kosa i Rosalia Lombardo amin’izoa fotoana ary voasokajy ho isan’ny « Momie » tsara tarehy indrindra izy.
