Nahaza trano fianarana vaovao ny EPP Ambohitsokina
Nanorina trano sekoly tamin’ny ampahan’ny loka azony ka nanolotra izany ho an’ny EPP Ambohitsokina any Vakinankaratra ny VOI Tamia.
Raha tsiahivina dia nandrombaka ny Loka Equateur 2020 ny VOI Tamia izay mitentina 10 000 dolara. « Nafoinay tanteraka ho an’ny fanabeazana ny loka azonay mba hampiroboroboina hatrany ny lentan’ny fahaizana eto Madagasikara » hoy ny avy ao amin’ny VOI Tamia Andranobe. « Hiha-matotra noho izany ny fanabeazana ara-tontolo iainana hiainga eny an-tsekoly satria dia azo tsapain-tanana ny fifandraisan’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny lafiny fanabeazana » hoy ny avy ao amin’ny DREN Vakinankaratra.
« Ny fanabeazana no tena mila hatsaraina sy hampiakarina ambonimbony kokoa raha tiana handroso ny firenena » hoy ny Talen’ny Kabinetran’ny Fraitra Vakinankaratra izay nanatrika ny lanonana fanolorana ny sekoly ho an’ny EPP. Isan’ny nanatrika izany ihany koa ny, ny solotenan’ny PNUD, ny DREDD Vakinankaratra ary ireo olo-manan-kaja maro any an-toerana.
Antenaina fa hampiroborobo ny fahatsaran’ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny fanabeazana.
Nicole Rafalimananjara
