Tandindomin-doza noho ny plastika ny ranomasina
Isan’ireo firenena nandray anjara tamin’ny Fivoriana mahakasika ny fako mandoto ny ranomasina sy ny fandotoana ateraky ny plasitika ny 1 sy 2 septambra teo i Madagasikara. Hetsika izay nokarakarain’i Equateur, Allemagne, Ghana ary Vietnam ary notohanan’ny PNUE ka ny Minisitry ny tontolo iainana sy fampandrosoana lovainjafy, Raharinirina Baomiavotse Vahinala no nisolo tena an’i Madagasikara tamin’izany.
« Tanjona ny mba hampahafantatra ny fomba fijerin’ny firenena malagasy momba ity fandotoana ny ranomasina ateraky ny pilasitika ity » hoy ny Ministra. « Mila fepetra mifanaraka amin’izany isika eto mba hampitsaharana ity loza mitatao amin’ny ranomasina ity. Ny fandotoana ateraky ny pilasitika dia manamafy hatrany ny fiovan’ny toetrandro. Tandindomin-doza ihany koa ny zavamananaina an-dranomasina, ny lafiny ara-tsakafo, ny fahasalaman’ny olombelona, ny fizahan-tany amoron-tsiraka » hoy i Ando, mpikaroka momba tontolo iainana. »Izahay izao miala sasatra aty an-dranoamasina, tsy nilalao ranomasina izahay fa hita fa naloto tokoa ny ranoamasina izay nahitan afako pilasitika sy fako maro hafa » hoy i Clara, nitondra ny ankohonany tany an-dranomasina.
Marihina fa nokendrena tamin’ilay fihaonana tamin’ny firenena hafa ny hampivoitra ireo fepetra raisina mba hisian’ny fifampiresahana amin’ireo firenena rehetra eran-tany hanafoana ny fandotoana ateraky ny pilasitika. Raha tsy izany dia ahiana hitombo avo telo heny ny pilasitika anaty ranomasina amin’ny taona 2040.
Nicole Rafalimananjara
