Maurice : Mampihoron-koditra ireo mpandray anjara hafa ny fandraisan’ny nosy anjara amin’ny « Arabian Travel Market » ao Dubaï
Nanomboka 1 may ary hifarana ny 4 may izao ny Arabian Travel Market na ATM ao Dubaï. Hetsika tontosaina an-toerana isan-taona izy io, izay karakarain’ny Reed Exhibitions hanomezana vahana ny dia (voyage) sy ny fizahantany. Sehatra ho an’ireo matihanina amin’ny fizahantany miditra sy mivoaka ny Moyen-Orient izy io ary hanomezana fampahalalana momba ny toerana azo tsidihana, honenana, hialana voly ao Moyen-Orient sy eran’izao tontolo izao.
Mandray anjara amin’io hetsika io ny nosy Maurice izy mitondra ny lohahevitra hoe « Feel Our Island Energy ». Raha tsiahivina dia misarika mpitsidika maro ny nosy ary niakatra 22,3% izany teo anelanelan’ny taona 2021 sy 2022.
Mampihoron-koditra ireo mpandray anjara hafa ny fandraisan’ny nosy anjara amin’ny ATM, tompon’andraikitra maro avy ao amin’ny nosy no loha-laharana amin’ny fahazoana mari-pankasitrahana samihafa ao Dubaï, isan’izany ireo minisitra maro toy i Kalpana Koonjoo Shah, Joe Lesjongard, Fazila Jeewa Daureeawoo, Soodesh Callichurn, Renganaden Padayachy, Sunil Bholah, Alan Ganoo, Steven Obeegadoo, Deepak Balgobin,…
