SocialTatitra

Belgique : Efa manomboka ny fanadinana ho an’ny ambaratonga faharoa

Efa mahazo manomboka ny fanaovam-panadinana ho an’ny any amin’ny ambaratonga faharoa saingy manana ny safidiny ny sekoly tsirairay raha hanao na tsia. Herinandro voalohany izao ho an’ny fanadinana any amin’ny ambaratonga fototra ary ny sekoly tsirairay no manao ny fandaminana mikasika ny sekoliny avy ny amin’ny mpianany. Ho an’ny sekolin’i Jeanne anefa dia notazomina ny fanadinana ka ny kilasy 5é no nanao izany voalohany. Raha ho an’ny Talen’ny Institut des Frères Maristes ihany koa dia natao ihany ny fanadinana satria tsara ho an’ny mpianatra ny manao izany mba hahafahana miatrika ny taom-pianarana ho avy.

Laisser un commentaire