SocialTatitra

France : Sekoly manodidina ny 400 isa iharan’ny fandrahonana fanafihana amin’ny alalan’ny hafatra miafina

Iharan’ny fandrahonana amin’ny alalan’ny hafatra miafina, ao amin’ny habaka fianaran’ireo mpianatra momba ny nomerika (ENT) an’ny sekoly ireo mpianatra amin’ny ambaratonga faharoa sy fahatelo, any Frantsa. Hatramin’ny faran’ny herinandro teo, maharay hafatra ireo mpianatra amin’ny alalan’io habaka io fa hisy hanafika ary mandefa horonantsary mampihorohoro ireo mpianatra ihany koa.  Amin’ny alalan’ny kaonty manokan’ny mpianatra no andefasan’ireo mpampihoroho io hafatra io. Nangataka ny hanatsaharana ny fandefasana hafatra amin’ity habaka ity ireo tomponandraikitra manoloana izany tranga izany, ahafahana mamerina indray ny kaontin’ireo mpianatra sy mandefa ny toromarika isan-karazany ary hiarovana ireo mpianatra ; raha ny fanambarana nataon’ny avy amin’ny ministera tomponandraikitra any an-toerana.

Laisser un commentaire