SocialTatitra

Taiwan : Olona fito maty, 736 naratra vokatry ny fisian’ny horohoron-tany mahery vaika omaly

Mahery vaika ny horohoron-tany niseho, omaly vao maraina tany Taiwan. Tsy mbola nisy tao anatin’ny taona maro izany, raha ny nambaran’ireo mpamonjy voina any an-toerana. Raha ny tatitra nivoaka omaly, dia olona fito no maty ary 736 no naratra. Ankoatra izay, trano lehibe telopolo mahery no rodana. Ny tany amin’ny tanànan’i Hualien, any amin’ny faritra atsinanan’ny nosy no tena nahitana fahavoazana, kilometra vitsitsitsy amin’izany tanàna izany no nisy ny ivon’ny horohorontany. Nahare izany horohorontany izany ihany koa ny tao Hongkong sy ireo faritany amorontsirak’i Chine. Tao Taiwan, nahetsika ara-potoana avokoa ireo sampana fiarovana sy vonjy taitra rehetra, tao anatin’izany ny mpitandro filaminana. Tao anatin’izany, nisy ihany koa ny fampandrenesana momba ny Tsunami tao an-toerana sy teny amin’ireo nosy kely manodidina ary ny tao atsimon’i Japon sy ireo faritra amorontsiraka ao Philippines ; izay nahiana hisy saingy tsy nahitana tranga mahery izany.

Laisser un commentaire