ActualitésTsidika

Fanabeazana : Mitady sekoly vonjimaika ho an’ireo mpianatra rava fianarana ny ray aman-dreny sy ireo kaominina

Efa manomboka miverina ny fampianarana taorian’ny fandalovan’ireny rivo-doza Batsirai sy Emnati ireny teto amin’ny firenena. Nivondrona kosa ireo kaominina sy ny ray aman-dreny nitady fianarana vonjimaika ho an’ireo zanany izay rava fianarana.

« Nisy ireo sekoly rava sy tsy azo ampiasaina mihitsy noho ireny rivo-doza ireny. Niray hina ny kaominina sy ny ray aman-dreny nitady fianarana vonjimaika ho an’ireo zanany. Efa mipetraka tsar any fandaharam-pianarana ho azy ireo na izany aza no zava-misy » hoy ny avy ao amin’ny sampan-draharahan-tserasera ao amin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. « Tsy maintsy mianatra ny zaza na inona miseho. Tsy maintsy mitady vahaolana izahay. Tsy afaka ny hifampiandry eto foana. Hoavin’ny ankizy mantsy io » hoy ireo ray aman-dreny.

Zava-dehibe tokoa ny fifanampiana. Efa nametraka vahaolana ny Ministera, ny BNGRC. Isika ray aman-dreny sy ny kaominina anefa no tena mahita ny eny ifotony ary tsara ny mifanampy tahaka izao.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire