Boeny : Nahazo tany 1, 5 ha avy ireo fianakaviana 33 avy any atsimo hivelomany
Velarantany 50 ha no nomanina ho an’ireo fianakaviana miisa 33 avy any Atsimo nifindra monina ao Boeny. Mpifindra monina andiany voalohany no noraisina ao Antanimalandy Tsaramandroso, ao izy ireo no honina sy hivelona.
« Mahazo 1, 5 ha avy isaky ny fianakaviana izy ireo. Izay misoratra ara-panjakana ihany anefa ireto mahazo ireto. Ny vokatra rehetra izay azony eto no azy. Mijanona ho fananan’ny kaominina kosa anefa ny tany » hoy ny avy ao amin’ny Faritra Boeny. « Hisy ny fiofanana sy ny fikarakarana atao amin’ny tany ho ataon’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny faritra Boeny. Hirariana mba hivelona ara-dalana sy am-pilaminana ireto mpifindra monina avy any Atsimo ireto » hoy ny Governoran’ny faritra Boeny.
Miainga amin’ny tanam-polo ireto mpifindra monina ireto. Hisy ny fizarana masomboly sy zezika ho azy ireo.
Nicole Rafalimananjara
