Fandraharahana : Betsaka ireo mpandraharaha misehatra amin’ny taovolo aman’endrika ao Alasora
Isan’ny sehatra iray miroborobo tokoa ny fandraharahana eto Avaradrano. Ny taovolo aman’endrika no isan’ny be mpanao sy miroborobo tokoa ao Alasora.
« Te hanana ny orinasako manokana aho. Niainga tamin’izay hay anefa izany. Efa ela no tiako ny mikarakara ny fahamanjamana ary nataokio fidiram-bola mihitsy izany » hoy i Zarasoa, mpikarakara taovolo aman’endrika eny amin’ny sampanan’Ambohitrazaka. « Maro azo isafidianana raha te hanao volo ety Alasora. Efa samy manana ny mahazatra azy anefa ny tsirairay. Ny fiangaliana ny asa no tena mahabe ny mpanjifa » hoy i Claudia, renim-pianakaviana monina ao Alasora.
Zava-kanto no talenta no avadika ho asa fivelomana. Miainga main’ny eo am-pelatanana tokoa ny fandraharahana. Ny kely no lasa ho be rehefa mandraharaha.
Hasina Rasamimanana
