ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Ilaina ny miofanana momba ny fitantanam-bola

Ny vola tokoa no maha rangahy. Ilaina ny fahaizana mitantana ny vola mba ahafahana manatratra ny tanjona. Tsy vola mantsy no tanjona fa ny vola no fitaovana iray hanatratrarana ny tanjona.

« Mahaiza mitantana ny volanao. Ny vidim-piainana ity efa miakatra ka ilaina ny mahay mandanjalanja ny vola miditra sy ny vola mivoaka. Na efa miasa ianao na mbola mpianatra dia hianaro ny mitantana ny volanao » hoy i Gerald, mpahay toe-karena. « Misy ny fiofanana momba ny fitantanam-bola ato amin’ny BTC Ambohimangakely. Isaky ny talata sy alakamisy amin’ny 9 hatramin’ny 12 ny fianarana. Misy hatrany ny fizarana mari-pahaizana any main’ny faran’ny fianarana » hoy i Diamondra, tompon’andraikitra ao amin’ny BTC Ambohimangakely.

Isan’ny sakana tsy mampandroso tokoa ny tsy fahaizana mitantana ny vola. Tsy fantatra mazava izay tena nahalany azy. Izay indrindra no tena ilàna ny fiofanana mitantam-bola toy ity any amin’ny BTC ity.

Toky Randriamanalison

Laisser un commentaire