Lozam-pifamoivoizan’ny kodiran-droa : Vahaolana ny fanavaozana ny lalàn’ny fifamoivoizana.
Tsy mampitandrina toa ny fiavian’ny mpangalatra ny lozam-pifamoivoizana. Ireo kodiaran-droa no tena lasibatr’izany eto Madagasikara. Tsy fananana fahazoan-dalàna mamily fiara na “permis de conduire” sokajy A’ na A no tena anton’ny loza. Mihena ny loza rehefa mahay sy manaja ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana ny rehetra, indrindra ireo mpampiasa kodiran-droa. Efa malaza ratsy amin’ny fandikan-dalàna mihitsy izy ireo rah any eto Madagasikara manokana. Mandeha any amin’ny lalan’ny mpandeha an-tongotra, mitsoriaka tampoka eo alohan’ny fiara, mangalatra ny havanana ary tsy manaja ny lalàn’ny fisongonana. Manginy fotsiny ny toetra tia setrasetra sy mandeha mafy. Hita ihany koa fa tsy mifanaraka amin’ny tanjaky ny kodiaran-droa entiny ny fahaizan’ny mpamily. Mila havaozina mifanaraka amin’ny zava-misy ihany koa ny lalàna. Sosokevitra ny tsy maintsy hananan’ny mpamily “permis de conduire” na fahazoan-dalàna mamily na dia latsaky ny 5O cc aza ny tanjaky ny moterany. Fanaon’ny rehetra mantsy ny manao “Fausse declaration” ireo kodiaran-droa mifamezivezy. Hany ka sady mambotry firenena no mangady ny lavaka hilevenany.
Dinah Razanajatovo
