SocialTsidika

Facebook : Tandindomin-doza ny ankizy sy ny tanora

Tsy takona afenina ny vokatry ny ny fampiasana Facebook manoloana ny fanolanana misesisesy ankehitriny. Feno doka misarika ny olona hijery horonan-tsary mamoafady ao anaty Facebook. Fantatry ny mpikirakira Facebook sasany amin’ny hoe “misy sarany kely”. Miteraka voka-dratsy ho an’ny ankizy sy ny tanora izany. Iaraha-mahalala fa marobe ireo ankizy tsy ampy taona no manao Facebook. Tsy fantatry ny Ray amandReniny ny zavatra hitany, ny ataony sy mifanerasera aminy ao. Mampirongatra ny filàna ara-nofon’ireo mpijery ny horonan-tsary hitany ka manampatra izany amin’ny zaza tsy manan-tsiny. Eo ihany koa ireo voasariky ny rendrarendra. Fanampin’izany ireo tia manandrana izay hitany tao anaty horonan-tsary. Tsy vitsy ihany koa ireo tovovavy izay afa-baraka noho ny fandefasana sary miboridana tao anaty Facebook. Entanina arak’izany ny Ray amandReny hanara-maso ny zanany, indrindra ireo mbola tsy ampy taona. 

Dinah Razanajatovo

Laisser un commentaire