Allemagne : Lasa firenena fahatelo matanjaka ara-toekarena indrindra eran-tany
Tafiditra ho isan’ireo firenena matanjaka ara-toekarena indrindra eran-tany i Allemagne amin’izao fotoana izao. Eo amin’ny laharana fahatelo no misy ity firenena ity mialohan’i Japon, raha ity farany no teo amin’izany toerana izany hatramin’ny taona 2023, araka ny angona toro mialoha momba ny harin-karena faobe japoney (PIB) nivoaka omaly alakamisy 15 febroary. Anisan’ny antony izao fihemoran’ny firenena Japoney izao ny fitotonganan’i Yen (vola japoney), hatramin’ny taona lasa.
