Alasora : Manomboka ny fametrahana ny tapis ao amin’ny kianja Ambohidrazaka
Nanomboka tamin’ny alatsinainy teo ny fametrahana ny tapis maha synthétique azy, ny ao amin’ny kianja vaovao ao Ambohidrazaka, kaominina Alasora. Efa manomboka hita taratra ny fahatsaran’izany foto-drafitr’asa kaominaly ho an’ny fanatanjahan-tena izany ao an-toerana.
« Ao anatin’ny fanatanterahana ny ezaka rehetra ny kaominina amin’ny fampandrosoana sy ny fampandehenana ny asa famitana ny kianja synthétique eto Ambohidrazaka. Araka ny fanamby napetraka, tokony efa nisy ny lalao fisantarana ny kianja teto ny faran’ny herinandro teo saingy noho ny fandaminana isan-karazany dia tohizana hatrany izany asa fanatsarana izany » hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.
« Tena tsara ny kianja na mbola tsy ao anatin’ny fahavitan’ny tanteraka aza izany. Hisaorana ny tomponandraikitry ny kaominina nanome izany satria anisan’ny laharam-pahamehana, no fanomezan-danja ny fanatanjahan-tena ny fahavitan’ny kianja tahaka izao » hoy i Toky, mpitia baolina kitra.
Tafiditra ao anatin’ny foto-drafitr’asan’ny kaominina ho fampandrosoana ny tanora sy ny fanatanjahan-tena ity fanamboarana kianja synthétique eto Ambohidrazaka ity. Anisan’ny andrasan’ireo mpanao baolina kitra sy mpankafy izany taranja izany ihany koa ny fahavitan’ity kianja ity.
Manitra R.
