Tsidika

 Lalam-pirenena faha-4:  nitrangana lozam-pifamoivoizana omaly 02 Jolay  hariva

Omaly hariva tokony ho tamin’ny 4 ora hariva no nitrangana lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalam-pirenena faha-4 afaka kelin’i Mahitsy. Tsy fantatra mazava ny antony nitrangan’ny loza saingy hita ho mafimafy ny fifandomana ka niteraka fahapotehana fiara sy moto. Sokajin’olona isan-karazany no niheren-doza  tamin’ity lozam-pifamoivoizana ity araka ny fanazavana, tsy nisy kosa ny aina nafoy.

“ Fiara kely iray sy moto ary kamiao iray no niharan-doza. Tao anatin’ilay fiara kely no nisy vehivavy iray behovoka ankoatra izay dia olona manana fahasembanana mipetraka ambony “chaise roullante” ihany koa no voadona. Ilay kamiao  kosa nifatratra tany amin’ny sisin-dalana ary potika ilay moto. Ny zava-dehibe dia , tsy nisy ny aina nahafoy nandritra ity lozam-pifamoivoizana ity.” Hoy ny mpitandro ny filaminana.

“ Tsy fantatra mazava izay antony tena nahatonga ny loza, antso no voarahinay mahakasika ny hoe vodonan’ny fiara ny havanay izay mipetraka ambony “ chaise roullante”. Voadona izy araka ny zava-nisy hita tety sy  ny fitantarany, efa mizaha azy ny mpitsabo fa irariana tsy hanampy trotraka amin’ny olana ara-batana misy aminy ny loza nihatra taminy. Mangataka ny mpitatitra izahay hitandrina ho fisorohana ny loza tahaka izao.” hoy ny fianakavian’ny niharan-doza

Matetika loatra ny hahitana lozam-pifamoivoizana eny amin’ny lalam-pirenena eny. Manambara  ny mpitandro ny filaminana  fa manararaotra ny fahalalahan’ny lalana  ny mpamily ka mampiakatra ny hafainganam-pandeha ka izany  no antony mahatonga ny loza matetika. Fiara maro anefa no mifamezivezy sy mampiasa ireny lalam-pirenena ireny ka tokony ho malinà sy hitandrina hatrany ny mpamily.

Miranto Andriharisoa

Laisser un commentaire