Gaza : Enim-bolana izao no nisian’ny ady
Enim-bolana izao no nisian’ny ady tao Gaza, izay efa nahafatsena olona an’alina maro. Ny 07 oktobra 2023 no nipoaka ny ady teo amin’ny Israely sy Hamas, izay vokatry ny tifitra nataon’i commandos Hamas, tao atsimon’i Israely, ary nahafatesana olona 1.160, izay olon-tsotra ny ankabeazany. Manoloana ny zava-misy anefa, tsy mitazam-potsiny ireo avy amin’ny firenena mikambana manoloana ny famotehana ny mahaolombelona sy ny vokan’izany, fa misy ny fanelanelanana. I Etats-unis, Qatar, ary Egypte dia nikaon-doha mba hanatsaharana ny ady, indrindra amin’izao volana hankalazana ny ramadan izao. Etsy ankilany anefa, mikendry ny hanapotehana hatramin’ny farany an’i Hamas i Israely ary tsy hitsahatra amin’ny ady. Raha ny tatitra farany navoakan’ny ministeran’ny fahasalamana ao Hamas, dia efa mahatratra 30.800 ireo efa maty hatramin’ny nisian’ity ady ity. Mponina 2,2 tapitrisa ihany koa tandindon’ny moserana.
