Ukraine : Mavesatra ny vokatry ny fanafihana
Tafiakatra 352 ny isan’ny sivily maty vokatra ny ady ao Ukraine raha ny tatitry ny ministeran’ny fahasalamana ao an-toerana, Viktor Liashko ny alatsinainy 28 febroary teo. Zaza ny 16 tamin’reo raha ny voalazany.Olona maherin’ny 1 684 ihany kosa no naratra vokatr’io fanafihan’i Russie io ary zaza ny 16 amin’ireo. Ao Kiev sy Kharkiv no tena ahitana ny taha betsaka amin’io antontan’isa io. Efa enin’andro androany ny nanafihan’i Russie an’i Ukraine.Mihezaka manohitra hatrany an’ity firenena faharoa matanjaka ara-tafika indrindra eran-tany ity i Ukraine. Efa rava avokoa ny ankahamaroan’ny foto-drafitr’asa misahana ny angovo ao an-toerana ary rava nandritra ny andro fahaefatry ny fanafihana ny fiaramanidina lehibe indrindra eran-tany, « Mriya ».
