ActualitésTatitra

Etats-Unis : Polisy telo voaheloka tsy niaro an’i George Floyd

Polisy telo no noheloin’ny tribonaly federaly ny herinandro lasa teo manoloana ny tranga nahafaty an’i George Floyd ny taona 2020.Raha tsiahivina ny tantaran’i George Floyd dia mainty hoditra nosamborin’ny polisy tao Minneapolis izy, ary sempotra noho ny tsindry nataon’ny polisy Derek Chauvin azy teo amin’ny hatony, ka namoy ny ainy.Niteraka fihetsiketsehana maro ny fahafatesany, ary polisy efatra ihany koa no nosamborina. Anisany i Tou Thao, 36 taona, Alexander Kueng, 28 taona, ary Thomas Lane, 38 taona, izay notsaraina tao Saint Paul noho ny tsy fanakanana sy firaisan-tsikomakomba tamin’ny famonoana an’i George Floyd. Naharitra iray volana ny fitsarana azy ireo ary nivaly ny herinandro lasa teo fa meloka. Mbola holazaina amin’ny fotoana manaraka kosa ny saziny, marihina kosa fa efa manefa ny saziny i Derek Chauvin, ilay nanindry ny hatok’i George Floyd, izay higadra 22 taona sy tapany.

Laisser un commentaire