MESupReS : Mandrahona ny hitokona ny mpianatr’i Vontovorona raha tsy voaloa ny vatsim-pianarana
01 Martsa, 11h30. Misy fahatarana ny fandoavana vatsim-pianarana. Manoloana izany dia mandrahona ny hanakorontana ny ESPA (Ecole supérieure polytechnique d’Antananarivo). Nanome 24 ora ny tompon’andraikitra ireo mpianatra minondrona ao amin’ny Fikambanan’ny mpianatra politeknika eto Antananarivo hamahana ny olana.
Nandefa fanambara kosa ny MESupReS famila manatontosa ara-potoana ny dingana samihafa ny oniversite sy ny IST mba hahafahan’ny tompon’andraikitra miroso amin’ny fanatobiana nomerika ny vatsim-pianarana dingana faha-2 sy faha-3.
Hasina Rasamimanana
