Dépêches

Fitaterana: Efa manomboka ny asa fanamboarana ny TPC

Dépêche 21 mars, 13h, Efa manomboka ny asa fanamboarana ny “transport par cable” raha somary tsy henoheno izany tao ho ao. Nanambara ny avy ao amin’ny SENVH fa tsy maintsy mandroso ny asa izay nampanantenaina. Efa manomboka ny fanamboarana ny gara eo Anosy sy ny gara Soarano. Ny 70% amin’ny fitaovana ihany koa dia efa ho vita. Araak ny voalaza hatrany dia tsy ahitraitra ny fanamboarana ny TPC kanefa hita fa tsy laharam-pahamehana izany. Ny vidim-bary amin’izao fotoana izao no olan’ny Malagasy rehetra izay tokony hikarohana vahaolana maika. Azo atao ny manajanona ny asa na dia nampanantenaina aza satria mbola misy ny laharam-pahamehana kokoa amin’ny Malagasy maro.

Laisser un commentaire