ActualitésTsidika

Tsenan’Ambohijatovo: Ho vita tanteraka ny asa fanarenana amin’ny volana jona.

Amin’izao fotoana izao dia efa ny 60% tamin’ireo kioska may teo amin’ny fivarotam-boky Ambohijatovo no voaarina amin’ny laoniny. Nandritra ny fitsidihan’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra teny an-toerana dia efa vita tanteraka ny fanarenana ny rindrina sy ny tafo tamin’ireo toeram-pivarotana miisa 78 izay nahitana fahamaizana.

“Efa ho vita ny asa raha afaka telo volana any sisa dia efa arfka hiverina hivarotra ireo mùpivarotra eto amini’ty toerana mana-tantara ity. Nampirisihina hatrany ihany koa ireo mpivarotra rehetra mba hitandro ny fahadiovana. Ny fanarenana ihany koa dia efa natao ho mafy fa tsy naverina ho hazo intsony”, hoy ny Ben’ny tanàna.

Ilaina ny boky, maro ny tombontsoan azo avy amin’ny famakiana boky ka izany no tokony hanarenana haingana io toerana io. “”Mety efa tsy dia jho atahorana intsony ny fahamaizana amin’ity fanarenana ity saingy ny fandriam-pahalemana ihany koa dia tokony hikarohana vahaolana haingana. Manerana ny tanànaa mihitsy izany fa tsy ho an’ny Ambohijatovo irery ihany”, hoy I Yvette, mponina eny Ambohijatovo, raha naneho hevitra.

Nisoatra ny Ben’ny tanàna ireo mpampiasa ny toerana nandritra izao fandalovany teny izao. Niaraka tamin’izany dia ho ampiasaina ny teknolojia amin’ny asa sy ny adidy miandry ireto mpivarotra ireto amin’ny fiverenany ka hamoraina amin’ny alalan’ny “digitalisation” izany. Ireo mpivarotra rehetra izay efa samy nanaiky ny fampiharana izany “digitalisation” izany avokoa.

 Miora Raharisolo

Laisser un commentaire