Tsidika

Matso 26 Jona   : Hihidy  ny lalana fidiran’ny fiara manodidina ny  kianjan’ny Barea mandritry ny lanonam-pankalazana

Ho fankalazana ny fetin’ny fahaleovan-tena dia nametraka fepetra ny kaominina Antananarivo Renivohitra fa tsy azon’ny fiara ivezivezena manodidina ny kianja Bare sy ny lapan’ny kolontsina sy ny fanatanjahan-tena raha tsy mifarana tanteraka ny lalaonam-pankalazana ao Mahamasina.

Voakasik’izany hoy ny tompon’andraikitra  ireto lalana manaraka ireto :Mahamasina (Gerb’or),ny manoloana ny lapan-ny kolontsaina sy ny fanatanjahan-tena,, Saint Michel,Antsahamanitra, Antaninarenina, ary Anosy sy ny manodidina.

Ho entitra ny fanaraha-maso ny amin’izay minia mandika ny fepetra sy mikasa hanakorontana ny lanona hoy ny voalazan’ny tompon’andraikitra.

“Na dia mety hanakorontana kely ny fifamoivoizana aza izao fepetra napetraky  ny kaominina izao dia tsara foana ihany mba samy manaraka ny lamina.” hoy i Ramatoa Sahondra renim-pianakaviana.

Antenaina araka izany ny hankalazan’ny tsirairay ny 26 Jona ao anaty filaminana  sy fitonian-tsaina.

Miranto Andrih

Laisser un commentaire