ActualitésTsidika

Zandarimariam-pirenena : Mitohy ny fanentanana eny amin’ny lalam-pirenena

Nirotsaka teny amin’ny lalam-pirenena ny zandary misahana ny fifamoivoizana ny 26 Desambra 2021 lasa teo. Betsaka ny fanentanana nataon’izy ireo nandritra izany.

« Teo ny fanentanana mikasika ny fepetra ara-pahasalamana sy ny tokony hanajana ny lalàn’ny fifamoivoizana mba hisorohana ny lozam-pifamoivoizana » hoy ny avy ao amin’ny Zandarimariam-pirenena. « Tena mahafinaritra mihitsy ny tahaka izao. Manampy betsaka amin’ny mety tsy hisian’ny gaboraraka anaty fiara intsony indrindra fa ny lozam-pifamoivoizana taorian’ny fety » hoy i Yollande, mpandeha hizotra ny faritra andrefan’ny nosy. « Nisy ny nomena fampitandremana am-bava, nisy ny an-tsoratra. Ny fandehanana mafy no tena antony voalohany mahatonga ny loza » hoy i Rado, mpamily. Tokony hitandrina hatrany ny mpamily sy ny mpandeha amin’ireny lalam-pirenena ireny. Sarobidy ny aina, ary lahitokana, ka mila malina mandrakariva.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire