ActualitésTsidika

Ambohimanga Rova : Ilay vodihadin’Ankasina

Maro ny tantara nanamarika an’Ambohimanga. Izy koa dia anisan’ireo vakoka iraisam-pirenena, amin’ny rova ao aminy. Toerana be mpitsidika sy mpizaha tany indrindra izy raha eto Antananarivo no resahina. Ahitana vodihady maro manodidina an’Ambohimanga ka isan’izany Ankasina.

Fahiny dia Ampanarifito sy Andriamborona no nonina voalohany tao amin’io toerana io, ary tsy mpanjaka tokoa mantsy ny mpanjaka raha tsy nahazo tso-drano tao amin’io Ankasina io.

Raha ny fitantaran’ny mpandalina tantara Jean Desiré dia « andriana avy any Arivonimamo any ireto Andriambololona sy Ampahanarifito ireto, ary ny tena marina dia tao Ambohimanga Rova izy ireo no nonina voalohany. Rehefa tonga nefa ny mpanjaka Andriamasinavalona dia nifampiraharaha ny roa tonta ka niala ny vohitr’Ambohimanga ireo andriana, ary nifindra tao Ankasina. Taty amin’ny andron’Andrianampoinimerina kosa dia nomena vodihady 12 izy ireo mba ho fahatsiarovana ny maha andriana voalohany azy ireo teo Ambohimanga, ary isan’izany io Ankasina io ».

Somary marihina kely ihany fa zanak’anabavin’Andriamborona ihany Andriampanarifito, izay andriana nonina voalohany tao Ambohimanga.

Mbola hita ao koa hatreto ilay fantsakana an’Andrianampoinimerina efa taloha be, nampalaza an’Ankasina mihitsy io fantsakana io. Tamin’ny tsy mbola nisy « pompe » fakana rano dia tao no natsaka koa ny olona, madio tena madio io rano io ary ary na ankehitriny aza dia mbola misy maka rano ao rehefa misy ny fahatapahana ny rano en an-toerana.

Ambohimanga dia tanana efa an-dalampandrosoana be. Mivelatra amin’ny sehatra maro koa ny mponina ao. Misy ireo eny amin’ny faritra ambanimbanivohitra dia mamboly sy miompy ; fa misy koa naefa ireo misehatra aty andrenivohitra amin’ny asa maro, araka ny ahafantarana an’Ambohimanaga Rova dia toerana maro mpanao asa tanana ary ataon’izy ireo fotom-pivelomana mihitsy izany.

Rehefa hihazo an’Ambohimanga dia afaka mihodidina kely mijery sy mitsidika ireo vodihady 12 ary ahitana an’Ankasina ny iray amin’izy ireo, toerana tsy dia misy fady loatra ny vodihady fa kosa mahaliana sy mahate hijery ihany, anefa fa mirakitra ny vakoky ny firenentsika. Tsy lavitra ihany koa fa miakatra kely fotsiny dia tonga ao amin’ny Rova. Ao indray no mijery ny tantaran’ny fiandrianana teto Madagasikara.

Mirary anao ho tonga soa ay raha to aka hitsidika ny tanànan’Ankasina.

Laisser un commentaire