Fanokafana ny CTC-19 Antsirabe
Manao ny ezaka rehetra mihitsy ny fitondram-panjakana amin’ny fitadiavam-bahaolana handresena ny valan’aretina covid-19 eto Madagasikara. Efa maro ireo ivon-toerana nosokafana mba handraisana an-tanana sy hikarakarana ireo mararin’ny covid-19 saingy tsy maharaka izany noho ny fahamaroan’ireo marary. Nosokafana noho izany ny CTC-19 ao Vatofotsy Antsirabe ary tonga nanantanteraka izany fanokafana izany ny filoham-pirenena Andry Rajoelina androany. Nihaona mivantana tamin’ireo mpitsabo izy nandritra ity fandalovany ity ary nanararaotra nisaotra sy nampahery azy ireo amin’ny adidy izay ataony sy tsy maintsy vitainy. Mba ho fanamorana ny fitsaboana ihany koa dia notoloran’ny fitondram-panjakana fitaovana entina miady amin’ny fihanak’ity valan’aretina ity ny ao amin’ny CTC-19 Vatofotsy miampy CVO+ ho an’ireo marary. Miisa 90 ireo « concentrateurs d’oxygène » azo ampiasaina ao amin’ity ivontoerana vaovao ity ary mahatratra 120 eo ireo marary azo raisina ao. Toy ireo mpitsabo rehetra hafa moa dia hisitraka tambin-karama ireto mpitsabo hiandraikitra ny CTC-19 vaovao ao Antsirabe ireto. Efa maro ihany izay toerana natokana handraisana ireo mararin’ny Covid-19 izay anefa mbola maro ihany ireo marary mitaraina ny amin’ny tsy fahatomombanan’ny fikarakarana sy ny fandraisana azy ireo. Inona no mety mahatonga ny fitarainan’izy ireo sa tsy manao ny asany ve ireo mpitsabo nanakinana andraikitra ? Tsy efa mba tokony ho ara-dalàna amin’izay ve ny fikarakarana ireo marary manantona ireny tobim-pitsaboana ireny raha ny hamaroan’ireo ivon-toerana sy ny fitaovana any amin’izy ireny ?
Ally Herisoananahary
