Dépêches

BNGRC : Akon’ny rivodoza

07 Febroary, 10h30. Raha ny tatitra vonjimaika navoakan’ny BNGRC dia olona am-polony no maty vokatry ny rivodoza BATSIRAI. Olona 43 236 avy amin’ny tokantrano 9 434 no nafindra tamin’ny toerana voatokana miisa 180. Seloky 211 kosa no ravan’ny rivodoza, 69 ny efitra rava tanteraka, 439 rava amin’ny am-pahany ary 55 no nentin’ny rivotra ny tafony. Làlana 12 tapaka manerana ny nosy ary tetezana 14 ihany koa no lasibatr’izany.

Laisser un commentaire