Dépêches

Analamahitsy : Tetikasa teleferika

Tsy hanaiky hatramin’ny farany ny fandalovan’ny teleferika eo amin’ny sekoly sy ny fiangonana ny vondron’ny Ray aman-drenin’ny mpianatra, ny mpanabe ary ny solontenan’ny Ekar Fanahy Masina eny Analamahitsy.

Mbola tsy nisy ny fifampiresahana natao tamin’izy ireo hatreto fa nijanona ho fampahafantarana ny fisian’ny tetikasa ihany no nataon’ny tomponandraikitra.

Vonona hitondra ny fitarainana any amin’ny sehatra iraisam-pirenena izy ireo, raha toa ka tsy misy vahaolana.

Laisser un commentaire