ActualitésTsidika

07 Febroary 2009-07 febroary 2022:

13 taona lasa izay Daty nanamarika ny fiainam-pirenena ny 7 febroary. 13 taona lasa izao no nanaovana ny tolona fangatahana ny lapan’Ambohitsirohitra izay notarihan’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo tamin’izany fotoana izany, Andry Rajoelina. Nahatratra 48 ireo namoy ny ainy nandritra izany. Mahery ny 100 ireo naratra, nisy tamin’izany ny nitondra takaitra . “Betsaka ny maty tamin’izany. Nahitana mpanao gazety iray mihitsy aza tamin’izy ireo. Maty teo am-panatanterahana ny asany ilay mpanao gazety. Mampalahelo ny toy izany” hoy i Gerard Rakotonirina, filohan’ny holafitry ny mpanao gazety teo aloha. Hatreto dia mbola tsy fantatra mazava ny tena tao ambadik’ireny famonoan’olona ireny. Ny 17 Martsa taorian’io kosa no nametra-pialana ny filoham-pirenena Marc Ravalomanana. Nambarany tamin’izany fa ny filoha Frantsay, Nicolas Sarkozy no tao ambadik’ilay fametraham-pialana. Tsy noho ilay raharaha 7 febroary mihitsy hoy hatrany izy tamin’izany. Isan-taona dia misy hatrany ny lanonam-pahatsiarovana ireo namoy ny ainy teo Ambohitsirohitra. Andrasana hatrany izay mety ho marina mahakasika ity raharaha ity 13 taona aty aoriana.

Laisser un commentaire