Fanatanjahantena: Ny tapaky ny volana aprily ny fiadiana ny tompon-dakan’ny Madagasikara amin’ny taranja Judo
Ao amin’ny Gymnase Couvert Ankorondrano no hanatanteraka ny fiadiana ny tompon-dakan’ny Madagasikara amin’ny taranja Judo sokajy rehetra. Hotanterahina ny 14, 15 ary ny 16 aprily ho avy izao izany. Araka izany dia handrasana amin’izany avokoa ireo sokajy hatramin’ireo vétérans izay handrandraina.
“Sady fifaninanana izy io no paik’ady ihany koa ka izay indrindra no hiantsoana ireo rehetra maniry handray anjara manerana ny Nosy. Paik’ady satria mandritra ireo andro ireo no hamantarana sy hifidianana ny ekipam-pirenena malagasy izay hanatanteraka ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ny cadet sy junior. Io ihany koa no dingana farany ho an’ny vétérans hahafahana mamaritra ireo izay handray anjara amin’ireo lalao iraisam-pirenena miandry an’i Madagasikara amin’ity taona ity, anisan’izany ny lalaon’ireo nosy aty amin’ny ranomasimbe Indianina”, hoy Mamy Randriamasinoro, tale teknika nasionalin’ny FMJ.
Efa hita ho vonom-bonona avokoa ireo ekipa tsirairay amin’izao fotoana izao izay hiatrika izany lalao izany afaka roa herinandro. Tsy hatao ambanin-javatra ihany koa etsy andaniny ny fanomanana izany amin’ny atsipirihany. “Ho avy any mihitsy ny tenako amin’ny maha vétéran ahy. Fanatanjahantena ankafizina izy ity ka tsy maintsy atrehina. Miandrandra fandresena hatrany moa rehefa milalao”, hoy I Abdou, anisan’ny mpilalao Judo efa ao amin’ny sokajy veteran.
Araka izany dia natambatra ho andro iray avokoa ireo sokajy miisa 6 ao amin’ity taranja ity dia ny “minims, cadets, juniors, seniors, kata ary ny vétérans” izany. Azo atrehina ihany koa ny lalao ho an’ireo izay mankafy izany taranja izany.
Miora Raharisolo
