Dépêches

COVID 19: Hiverina hisokatra ny CTC Soamandrakizay

27 Desambra, 09h00. Hiverina hisokatra manomboka androany 27 Desambra ny CTC Soamandrakizay hoy ny Minisitry ny fahasalamam-bahoaka ny Pr RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo omaly hariva. Ahitana fandrina 148 ao anatiny. Ireo « forme modérée » amin’ny Covid-19 no ho raisina an-tànana eny an-toerana fa ireo tranga misy fahasarotana na « forme grave » kosa no raisina eny amin’ireo hopitaly lehibe. Maimaimpoana avokoa ny fanafody hitsaboana amin’izany, hoy hatrany ny Minisitra ny fahasalam-bahoaka.

Laisser un commentaire