SocialTsidika

Sabotsy Namehana : Misy biby hafahafa mandripaka ny biby fiompy

Tranga hafahafa no hita tao Sabotsy Namehana ny alin’ny 12 aprily lasa teo. Biby « kelibetratra miendrika toy ny alika sy soavaly » mitroka ran’ireo biby fiompy no hita saingy tsy tratra tany an-toerana. Efa olona maro no nijoro vavolombelona fa mandripaka ny biby ao an-trano ity biby ity.

« Nikararaika ny akoho tato an-trano. Nojerena dia biby hafahafa no hita izay mitovy hahavo amin’ny olona miondrika, maka endrika soavaly sy alika izany. Nitsoaka avy hatrany rehefa nitsetsitra ny ran’ireo akohonay miisa 9. Ny taovan’ireto akoho sisa no hita teo » hoy i Rota, mponina ao Sabotsy Namehana. « Ny tato aminay indray dia alika teraka tao ambany lavarangana no maty daholo hatramin’ny zanany. Tsy tratra ilay biby fa mitsoriaka be, hany ka vetivety dia tsy hita » hoy i Rakotomalala, mponina any an-toerana. Tena efa toerana maro tokoa no nahitana ny « kelibetratra » izay mandripaka biby fiompy eny fa na hatramin’ny olombelona aza. Ao anefa ireo minia miompy ireny biby ireny noho izy hinoan’ny olona ho mampanan-karena.

Laisser un commentaire