ActualitésTsidika

Mahajanga : Voarara ny fitondrana skateboard sy ny mitovitovy amin’izany

Namoaka didy vaovao ny avy ao amin’ny kaominina Ambonivohitra Mahajanga fa voarara ny filalaovana ireny kilalao sy fitaovam-pitaterana kodiaran-droa ireny. Anatin’izany ny moto, trottinette, bisikileta, ary ny roller. Ireo karazana fampisehoana mampiasa ireo kilalao ireo no tena tsy azo atao eny amin’ny sisin-dranomasina indrindra moa fa eny amin’ny lalan’ny mpandeha tongotra. Izany no hatao mba hialana amin’ny mety ho olana haterany izay mety hatramin’ny fandratrana olona.

« Maro ny mitaraina satria misy ireo tanora milalao no somary mahery setra ka mety hamparatra. Noraisina izany fanapahan-kevitra izany mba hiarovana ny tsiraieay. Efa misy ny toerana hahafahana manao izany fampisehoana izany sy milalao ireny kodiaran-droa ireny ka tsara kokoa raha eny no milalao. Anisan’ny manakorontana ny fiainan’ny olona sasany izany ka tokony samy hanaja izay avokoa ireo mpisehatra », hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny Kaominina Ambony Vohitra Mahajanga.

« Marina fa misy aminay mety mahery setra fa eny amin’io toerana io anefa mba mahafinaritra ny maso ihany koa. Tsy aleo ve mahita ny tanora milalao itony toy izay manao zavatra hafa mety hanimba anay. Manaiky ny fandaminana izahay saingy tokony havaozina mba hanaraka ny fenitra ihany koa ilay toerana natao hilalaovanay », hoy ity filohan’ny fikambanana mpilalao “skateboard” ao Mahajanga ity.

Fialamboly ireny rehetra ireny, ny tanora tena mila miala voly rehefa reraky ny fianrana sy ny asa. Tsy tokony hanararaotra anefa na dia manan-jo ny hanao izany aza ireo tanora. Tokony jerena ihany ny sehatra sy ny hodidina hahafahana manatanteraka ny fialamboly izay eritreretina.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire